Mihamafy ny fitokonana : hanampy ny Seces ny FDSP

Nivoitra tao anatin’ny fivorian’ny Seces, sampana Anta­na­narivo, ny alatsinainy teo,
fa mitohy hatramin’ny 7 aogositra izao ny oniversite maty. Tsy misy mpampianatra hampiodina eny amin’ireo fakiolte rehetra.

Tetsy andaniny, namoaka fanambarana ihany koa ny fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (FDSP) fa hiombom-po haneho firaisankina amin’ny Seces ka hampitsahatra ny fampianarana.
Fiombonam-peo amin’ny mpampianatra an-tselika tsy mbola nandray ny karamany hatramin’ny taona 2018-2019 no anton’ny fampitsaharana ny fampianarana. Eo koa ny firaisan-tsaina amin’ireo mpa­m­pianatra mpikaroka, noho ny fanambaniana sy ny tsy fanajana ny fitsipika tsy mbola mahameloka azy ireo nanoloana ny olan’ny bakalorea farany teo.
Nanao fanambarana ihany koa ny Seces, sampana Fia­na­rantsoa, rehefa avy nivory ny alatsinainy teo fa hiroso amin’ny fampiatoana ny asa fampianarana sy ny asa fikarohana raha tsy misy ny va­ha­olana avy amin’ny fanjakana mandritra ity herinandro ity.
Nambaran’izy ireo fa miankina amin’ny famalian’ny fitondrana ny fitakiana rehetra nataon’ny Seces izay voarakitra anatin’ny fehin-kevitra ni­vo­aka nandritra ny filan-kevi-pirenena natao ny 8 sy 9 jona teo no hamaranany ny taom-pianarana.

Tsy tokony holotoina ihany koa ny anaran’ny Seces raha toa sanatria ka misy mpampianatra mpikaroka nanao ny tsy mety amin’ny anarany manokana.

Tatiana A 

Partager sur: