Misy ny tsirim-panantenana !

 

Manimanitra fety aman-danonana ny tanàna. Ma­nom­bo­ka miranty tsikelikely eto an-drenivohitra ny saina sy ny ra­vaka isan-karazany momba ny lalaon’ny Nosy. Efa anatin’ zny fanomanan-tena ny mpilalao sy ny mpiahy ary ny mpanohana. Ny firenena mandray anjara ihany koa efa nanasonia ny fandraisany anjara sy ny ho fahatongavan’ny mpikatroka eto Madagasikara. Samy vonona ny mpiantsehatra rehetra.
Inona sisa no andrasana? Zava-dehibe voalohany, ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny sy ny fanohanana ny an’ny tena. Tsy sanatrian’ny vava hanao ranon’Ikopa ka tonga namana vao mavomavo. Vanim-potoana lehibe hamerenana ny hambom-po manoloana ny vahiny izao, andaniny. Hanamafisana orina ny firaisankinan’ny samy mpiray tanindrazana, ankilany. Inoana fa hitondra zavatsoa maro amin’ny lafiny samihafa ny lalao, indrindra ny toekarena, sosialy.
Tato anatin’ny fotoana fohy, miova ny rivotra mitsoka eto amin’ny firenena. Misy onja miabo miely moramora. Misy tsirim-panantenana tsikelikely, entin’ny tontolon’ny kanto sy ny fanatanjahantena. Mientana kely ery ny fo maheno ny hiram-pirenena malagasy rehefa mandrombaka medaly volamena ny atleta. Misento tokana daholo, mahita ny fanandratan’ny tanora ilay voninahi-pirenena.
Irariana ny hitohizan’izany sy hiparitahany amin’ny sehatra hafa satria mila izany ilay firenena sy ny mponina ato aminy. Mifanindran-dalana amin’izay, teo-tsaina mila fiovana goavambe ny fitiavana manely zava-dratsy, miteny ratsy, ary indrindra maniry ratsy ilay tanindrazana noho ny tsy fitiavana olona na sokajin’olona manana andraikitra eto amin’ny firenena. Mila rivo-baovao miharo fahavononana hiala amin’ny ratsy i Madagasikara.

r.r

Partager sur: