« Mitodiha anie e! » : maneho ny maha izy ny Varatava ny ranty

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina ma­lagasy (IKM) Antsahavola, ny fampirantiana « Mitodiha anie e! », karakarain’ny fikamba­nana Varatava. Nisy ny fampahafantarana ny mahakasika ny sary miranty, nataon’ny mpahay kanto nanao azy, nandritra izany lanonana fanokafana izany. Sary maro sami­hafa, nataon’ny mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity no miranty eny an-toerana, manomboka omaly hatramin’ny 16 aogositra 2023. Ani­san’ny tanjon’ny fikambanana amin’ izao fampirantiana izao ny fanasongadinana ny fikamba­nana sy fanehoana ny fahaiza-manaon’ny mpikambana.
Sombiny amin’ny sary nataon’ny mpikambana ihany no miranty eny amin’ny IKM Antsahavola. Anisan’ny efa miranty, mandritra ity hetsika ity ihany koa, ny asa tanan’ireo vao avy niatrika ny atri­kasa farany nokarakarain’ny fikambanana. Fampisehoana ny fahaiza-manaon’ny mpikambana, fampahafantarana ny fikambanana no tanjon’ny hetsika, ankoatry ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny fampandrosoana.

Lin M.

Partager sur: