Fatim-behivavy efa mangana sy namoaka fofona hita nihidy tao an-tranony, tao Amparafaravola , ny alahady tolakandro teo.
Voarasa antsy teo amin’ny tendany, mangana ary efa namoaka fofona ratsy ny vatan’ny vehivavy iray namoy ny ainy tao fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Ambatomainty. «Nakapoka tamin’ny fandriana natoriana mihitsy io vehivavy io raha ny fahitana ny razana», raha ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambatomainty, omaly. Niara-nonina tamin’ny vadiny sy ny zanak’io vadiny io ity vehivavy ity. Niakatra nihazo an’i Vakinankaratra ilay lehilahy, ny faran’ny herinandro lasa teo. “Ny zoma alina teo no natory farany tao amin’io vadiny io ilay rangahy”, hoy ny fanamafisan’ny zandary.
Napetrak’ilay lehilahy tao amin’ny tompontrano kosa ilay zanany 11 taona. Ity farany izay nafarany hamonjy azy any Vakinankaratra. Haka ny akanjony napetraka tao amin’ny tranon’ny renikeliny, vatana mangatsiaka efa mitsirara no hitan’ilay zazalahy sy ny tompontrano ny alahady 30 jolay tamin’ny 3 ora tolakandro. Niantso mpitandro filaminana izy ireo. Nozahana, voamarina fa niniana novonoina io vehivavy io. Niparitaka eran’ny trano rahateo ny ra.
Mpiady lava
Zandrin’ilay lehilahy lavitra amin’ny taona ramatoa vadiny. Saropiaro hany ka tsy mifankahazo matetika izy roa, araka ny filazan’ny loharanom-baovao. “Sarotra ho an’ilay raim-pianakaviana ny hamono ilay vehivavy raha tsy amim-pitaka noho izy efa nahazo taona”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao Ambatomainty. Tsiahivina, nirongatra ny vono olona miharo habibiana tato ho ato. Anisany, ilay raim-pianakaviana novonoina ary nofatorana tao an-tranony tao amin’ny distrikan’i Fandriana, ny herinandro lasa teo.
Tsiferana Randriatiana