Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny lalan’ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana “freestyle”, amin’ny lalaon’ny Frankofonia any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratika Congo. Ny alatsinainy lasa teo, resin’i Kameronina i Madagasikara, nahitana an’i Patô, Michael, Lafatra Tiago, Fyartlove ary Ny Antema.
Taorian’ny nandrombahan’ny Akio de Madagascar ny tompondakan’ny faritra fahafito “IHF Trophy”, taranja handball, sokajy “cadette” sy “junior”, hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial” indray izy ireo. Navoakan’ny kaonfederasiona afrikanina (CAHB), ny alatsinainy teo, ny fandaharam-potoana amin’izany. Hotanterahina ao amin’ny Centre sportif, culturel des TIC Allassane Ouattara, ao Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fihaonana, ny 8 – 12 aogositra ho avy izao.
Kitra Eoropeana, hotanterahina manomboka ny herinandro ho avy izao ny fifaninanana rehetra. Ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions 2024» (LDC), hotontosaina ny volana septambra ho avy izao. Tsiahivina fa ny ekipan’i Manchester City, Anglisy, no nahazo ny LDC 2023.
Filaharan’ny FIFA, nihemotra any amin’ny laharana faha-108 i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra. Tsiahivina fa teo amin’ny laharana faha-107 isika teo aloha. Nodimbiasin’i Guatemala ny toeran’ny Barea. Ny volana septambra ho avy izao, hifanandrina amin’i Angola isika, fifanintsanana Can 2023.