Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fonja Ambatondrazaka, omaly alina. Fokonolona avy ao Mangalaza no nitarika ny fanafihana. Nitaky ny hamotsorana ny namany voasaringotra tamina raharaha fitsaram-bahoaka izy ireo. Nifehy ny toe-draharaha ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Olona 13 nidoboka ao amin’ny fonjan’Antanimora, voarohirohy tamin’ny raharaha fiparitahan’ny laza adina bakalorea, teto an-dRenivohitra, nandritra ny fanadinana farany teo, omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny enina. Olona enina hafa arahi-maso akaiky, io no vokatry ny fampanoavana teny Anosy.
Gadra enina tafaporitsaka tao amin’ny fonjan’i Mananjary, omaly. Tamin’ny 03 ora maraina, niray tsikombakomba nivoaka teo amin’ny varavarankelin’ny fonja ireo gadra ireo. Efa ratsy rahateo io varavarankely io ka nohararaotin’ireo gadra. Efa voaheloka avokoa ny dimy amin’ireo tafatsoaka. Manao ny fikarohana ny tomponandraikitra ao an-toerana.
Tratra tao amin’ny mpivady ny omby roa halatra, tao amin’ny kaominina Alatsinainy Bakaro, Distrikan’ Andramasina, ny alahady 30 jolay teo. Lehilahy iray vao nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ny halatra omby no tompon’antoka. Nohazoniny tao aminy ireo omby tsy nananany taratasy ara-dalàna. Hosoka avokoa ny taratasy nasehony ny zandary.