Elgeco Plus sy ny Gaborone United : hotanterahina ny 19 aogositra ny lalao

Araka ny fanambarana na­taon’ny klioba Gaborone United Botswana, omaly, ho­tontosaina ny 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i National Botswana, ny fihaonan’izy ireo amin’ny Elgeco Plus de Madagascar. Marihina fa dingana mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la Confederation CAF”, ity lalao ity. Ny 25 na 26 na 27 aogositra ny miverina, izay hatao eto an-toerana. 23 taona ny mpilalao tanora indrindra ao aminy raha toa ka 53 taona ny zokiny indrindra.
Ho an’ny ekipan’ny Elge­co Plus, manana mpilalao sangany maro, toa an-dry Nina, Datsiry, Onja, Doddy ity klioba ity. Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka ny klioba solontenan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao.
Izay tafavoaka mpandresy amin’ny roa tonta, hihaona amin’ny Supersport United Afrika Atsimo, eo amin’ny fihodinana faharoa. Ny 15 na 16 na 17 septambra ny lalao mandro­so amin’izany, raha toa ka ny 29 na 30 septambra na 01 oktobra kosa ny miverina.

Fitia

Partager sur: