Fampitiavana ny jazz : naroso ny andiany faha-12 amin’ny « Jazz@tohatohabato”

Hetsika kolontsaina anisan’ny lehibe fanao isan-taona eto Madagasikara ny “Jazz@tohatohabato”. Hotontosaina tsy ho ela ny andiany faha-12.

Raha ny volana oktobra hatrany no nahazatra ny mpitia jazz hatramin’izay. Ho an’ity andiany faha-12 ity, naroso izany. Ho­tanterahina eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny 9 aogositra ka hatramin’ny 13 aogositra izao ny “Jazz@ tohatohabato”. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Maromaro ny hetsika samy hafa hisy amin’io volana oktobra io ka izay no anisan’ny antony nampandrosoana ny fotoana hanatanterahina ity andiany ity. Antony iray tsy hisian’ny vahiny ho tonga handray anjara ihany koa io, raha ny fanazavan-dRasamoelisoa Ranja hatrany. «Eo am-panaovana fitetezam-paritra ny ankamaroan’ny mpilalao jazz any ivelany amin’izao vanim-potoana izao, ka sarotsarotra ny hahatongavan-dry zareo eto Madagasikara satria efa voapetraka mialoha ny azy ny fandaharam-potoana», hoy izy.
Omena lanja sy vahana hatrany ny rehetra. «Am­panatonina ny olona ny jazz mba hitovy lenta ny fandraisana sy ny fahalalan’ny tsirairay azy», raha ny fanazavana nomen’ity tomponandraikitra ity. Voatazona ny seho re­hetra.
Hahazo ny anjarany ny tsirairay

Hisy ny fampisehoana mitety faritra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Ny 11 aogositra, miala eo amin’ny Araben’ny Fahaleo­vantena Analakely, ny fiara lehibe hitondra ireo mpilalao jazz. Hijanona any amin’ny toerana malalaka ahafahana manatanteraka seho izy ireo. Hijanona eny Sabotsy Name­hana ry zareo hanatanteraka seho lehibe.
Notazonina ihany koa ny jazz ho an’ny ankizy na ny «Jazz kids», hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 9 aogositra. Ny «jazz street» hatao ny 12 aogositra, eo amin’ny tohatohabaton’Anta­ni­narenina ary ny «Grande scène» ny ampitso tolakandron’io. Marihina fa ny Cercle-Germano Malagasy/GZ no mikarakara ny “Jazz@tohatohabato”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: