Fanendahana : roa lahy nisandoka ho polisy voasambotra

Manakan-dalana amin’ny andro alina, tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny roa lahy nisandoka andraikitra, tao Ta­nambao II, Toamasina, ny 2 aogositra teo. Miandry ireo mpan­deha alina, misandoka ho polisy izy mirahalahy ireto. Mijanona noho izany ireo sendra azy ireo kinanjo endahin’izy roa lahy avy hatrany. Mirifatra mandositra ireo olon-dratsy aorian’izay. Niantso polisy avy hatrany ny lasibatra. Nanao vela-pandrika nanoloana io asa ratsy io ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Noraisim-potsiny ny mpanendaka roa lahy. Natao famotorana, niaiky heloka fa tsy mpitandro filaminana velively izy ireo. Paikady nampiasainy nahafahany manendaka ireo mpandalo izany. Atolotra ny fampanoavana, aorian’ny fanadihadiana lalina, ireto mpisandoka andraikitra sady mpanendaka ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: