« Festival Somarôho 2023 »: Feno seho ara-kolontsaina ny hetsika

Tontosa omaly, tany Nosy-Be, ny fanokafana ny « Festival Somarôho » andiany fahafolo, sy ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny tarika Wawa. “Carnaval” lehibe, nanehoana ny mampiavaka an’i Nosy-Be no nanokafana ny hetsika. Vahiny sy teratany malagasy maro no tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hetsika ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ny “Fetsival So­marôho” andiany fahafolo.
Haharitra 13 andro ny “Somarôho”, amin’ity taona 2023 ity. Mpanakanto manodidina ny 25, avy eto an-toerana sy avy any ivelany no hanafana ny hetsika. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Goulam sy Say’s Z, izay samy avy any Frantsa. Hisy ny fampisehoana hatao mitety ny fokontany ao Nosy-Be, ary fampisehoana goavana ao Djamanjary, iarahana amin’ny tarika Wawa no hamaranana ity hetsika lehibe ity. Ankoatra ny fampisehoana, ho hita mandritra ny “Festival Somarôho” ihany koa ny vakodrazana sy morengy.

Lin M.

Partager sur: