Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo, ny mpanakanto maromaro, omaly. Ny mahakasika ny fitantanana ny Office Malgache du Droit d’Auteur (OMDA) no noresahin’izy ireo tamin’izany. Nisy koa ny fangatahana maromaro nataon’ireto mpanakanto ireto, anisan’izany ny fandaniana ny lalàna mikasika ny OMDA. “Tsy manohitra an’iza an’iza ary tsy manakana na inona na inona izahay fa ireo fotsiny no angatahinay”, hoy i Bodo, nitondra ny tenin’ireto mpanakanto ireto.
Nahitana mpanakanto maro, toa an-dry Jaojoby, Princio, Bodo, Mamy Be… no nitafa tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana ny OMDA. Nandritra izany no nanambaran’izy ireo fa lehibe indrindra ny fahaleovantenan’ity rafitra ity. «Mpandrindra sy mpiahy no anjara asan’ny minisitera fa tsy mpanapa-kevitra» ; hoy izy ireo, raha nanao fangatahana omaly. Eo koa ny fandaniana ny fitsipika sy lalàna mifehy ny OMDA. Ny fanaovana ny fivoriamben’ny mpikambana raha efa izany, izay vao manao ny asa fanavaozana sy fanatsarana eo anivon’ity rafitra ity. “Fotoanan’ny fanovana izao, saingy aleo mba tena ny mpanakanto sy ny mpisehatra eo anivon’ity tontolo ity no hanapa-kevitra, ho tombontsoan’ny rehetra”, hoy i Bodo.
Lin M.