Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny hetsika “foire internationale de l’économie rurale de Madagascar” (Fier-Mada) andiany faha-24, atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. “Olom-baovao avokoa ny 60%-n’ ireo mpandray anjara”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara, Ramanantsoa Jacques. Nambarany fa nahazo tombony ny ankamaroan’ny tantsaha nandray anjara tamin’ireo hetsika teo aloha, antony nampirisihiny ny namany hanao ny “Fier-Mada”. Misy ireo nahita lalam-barotra any ivelany, misy ny nahazo fifanarahan’asa amina miliara maro. Ao koa ireo nahatsangana trano tamin’ny alalan’ny fanaovana ny hetsika, hoy hatrany ny fanazavana voaray. “Misy tantsaha mpamboly tongolo sy ovy izao manodram-bokatra any Etazonia. Toy izay koa ilay mpanao satroka gasy manondrana entana any ivelany”, hoy hatrany ny mpikarakara.
Vokatsoa
Ahafahan’ny tantsaha mivarotra mivantana sy mahazo tombontsoa betsaka ny antom-pisian’ny “Fier-Mada”. Ilaina ny fanaovana serasera moderina hamantarana ny tontolon’ny tsena. Lohahevitry ny hetsika rahateo ny hoe “mitombo harena ny tantsaha mahay mamokatra sy mivarotra ary miserasera amin’ny fomba moderina manaja ny maha gasy”. Fomba moderina resahina eto ilay fanaovana kajy an-tsoratra rehetra ny vola niala sy ny tombony azo tamin’ny tsena. Fantatra fa manodidina ny 450 ny tranoheva mampiranty ny vokatra mampiavaka azy manokana.
Henintsoa Hani