Notontosaina tao amin’ny distrikan’Ikongo ny fametrahana ny vatofototry ny EPP manara-penitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nitarika izany lanonana izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana, notronin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry amin’iny faritra iny.
Amin’izao Herinandro maneran-tany ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny izao, manamafy ny fanentanana, hametrahana toerana voatokana ho an’ireo reny mampinono eny anivon’ny toeram-piasana, ny orinasa. Samy hahazo tombony amin’izany avokoa ny orinasa, ny reny, indrindra fa ny zaza. Ny nonon-dreny no vaksiny voalohany, manamafy ny hery fiarovan’ny zaza.
Notanterahina ny 15 hatramin’ny 30 jolay teo ny fitsidihana ifotony tany amin’ny kaominin’ Itampolo, distrikan’Ampanihy, mahakasika ny “Planification Communautaire Participative” (PCP), Fokontany enina ao anatin’ny kaominina no nahataterahana fitsidihana hatramin’ny farany, ahalalana manokana ny fiaimpiainan’ny olona sy ny zava-misy any an-toerana.
Mitohy ny hetsika fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny daholobe. Hifarana rahampitso izany dia hianavaratra ka ao amin’ny distrikan’i Mandritsara no hitondra fitsaboanan sy fitarafana ary fizahana ireo mpiasan’ny fahasalamana rahampitso. Tao Befandriana Avaratra izy ireo ny alarobia lasa teo.