Fokonolona 500 eo ho eo, avy amin’ny fokontany roa, nitaky hamotsorana ny namany enina tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, afakomaly alina, nitohy omaly atoandro.
Tifi-danitra nisesisesy nataon’ny mpiandry fonja tao Ambatondrazaka nanaparitahana ny fokonolona, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Nitaky ny hamotsorana ireo olona enina voasaringotra tamin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanafika. « Manodidina ny 500 izy ireo avy amin’ny fokontany Begoavy sy Mangalaza, kaominina Feramanga avaratra », araka ny tatitry ny zandary ao an-toerana. Nitabataba teo anoloan’ny fonja ireo mpitokona. Nitombo an’isa, niezaka nifehy ny toe-draharaha ny mpiandry fonja ao an-toerana. Raikitra ny sakoroka. Nanampy ny mpiandry fonja ny polisy sy zandary. Niditra an-tsehatra ny tomponandraikitra nandamina ny raharaha. Naharitra ora maro ny fifampiresahana teo amin’ny mpitokona sy ny mpitandro filaminana.
Nitohy omaly ny fitakian’ny fokonolona hamotsorana ireo enin-dahy naiditra am-ponja noho ny halatra omby niaro fitsaram-bahoaka niseho ny 12 oktobra 2022. Taorian’ny fitondrana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny 31 jolay teo, naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo. Ny alin’ny talata hifoha alarobia, tonga tampoka hamoaka ny namany ny fokonolona avy amin’ireo fokontany roa izay tsy manaiky ny fihazonana am-ponja. Niafara tamin’ny fifandonana izany. Voafehin’ ny mpitandro filaminana ny fitokonana. Nifampiresaka tamin’ny fokonolona ny lehiben’ny fampanoavana, kaomandin’ny kaompanian’ny zandary, talem-paritry ny polisy ary ny lefitry ny Préfet ao Ambatondrazaka. “Tsy anaty korontana no hamahana olana”, hoy izy ireo.
Tsiferana Randriatiana