Nifanehatra tamin’ny polisy: zaza tsy ampy taona tratra namaky trano

Zazalahy iray tra-tehaky ny polisy nitondra fahitalavitra iray niampy kojakoja fampiasa amin’izany tao Mora­feno, Toa­masina, ny 1 aogositra teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro fila­minana nanao fisafoana alina ity mpangalatra ity. Nikasa handositra vantany vao na­hatazana ireo polisy io zazalahy io. Nasaina nijanona, nojerena ny teny an-tanana ka nahatrarana fahitalavitra iray. Sarona teny aminy koa ny “decodeur” fampiasa amin’izany. Natao fanadihadiana fohy, nibaboka tamin’ny polisy io mpamaky trano io. Na­lainy tamina tokantrano iray ireto entana ireto. No­­ka­sainy hamidy ny maraina iza­ny saingy izao voasambotra izao izy. Nentina atao fa­motorana, natolotra ny fampanoavana io zazalahy io. Nave­rina amin’ny tompony kosa ireo entana very. Tsia­hi­vi­na, efa mirongatra izaitsizy amin’izao fotoana ireo zaza tsy ampy taona manao hala-boty sy asa fanendahana, indrindra eto an-drenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: