Sarotra, hono, ny mamaritra ny atao hoe
« kanto » ! Andram-pamaritana hita ao anatin’ny boky «Valihan’Ikaky», nivoaka ny taona 2019, nilaza fa : «Rehefa tsy manimba na mamotika na manova ny soatoavina ny «zavatra» iray, dia izay no atao hoe zavakanto. Noho izany, tokony hahay ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, izany ny olona tsirairay».
Tsy mbola mahasahy mametraka ny teny malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy ny Malagasy. Ny fiheveran-tena ho lesoka raha mitaha amin’ny hafa no anisan’ny mahatonga izany. Mbola manamaivana sy tsy manisy hasiny ny teny malagasy ihany koa ny ankamaroan’ny taratasy kirakirain’ny Malagasy eny anivon’ny sehatra isan-karazany.
Festival de rire Jokoso. Tanterahina ny 11 hatramin’ny14 oktobra 2023, eto Antananarivo, ny «Festival de rire Jokoso» andiany faha-3. Mpanao hatsikana maro samihafa, manerana ny Nosy no handray anjara amin’io fotoana io. Fotoana ifampizarana fahaiza-manao sy hampiroboroboana ny sehatry ny hatsikana eto Madagasikara.
Raraka teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ihany koa ny Moustik Crew. Izy ireto no solontenan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Hip Hop, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia. Nifandona tamin’ireo mpandihin’i Cameroun ry zalahy, omaly.