Fotoana tokony mbola ao anatin’ny mahamora ny vidim-bary izao aogositra izao. Efa miakatra tsikelikely sahady anefa izany, ary ahina ny amin’ny maitsoahitra. Midangana koa ny vary « stock », afarana avy any ivelany.
Tena mamatsy vary ny eto an-drenivohitra ny avy any Alaotra sy ny any Bongolava ary Anjozorobe. Manomboka ny volana mai hatramin’ny jolay eo ny fiakaran’ny vokatra, lazaina hoe vary vakiambiaty. Izany hoe, eo no mitobaka ny vokatra ka midina ny vidiny ho an’ny mpanjifa. Tsy mihetsika amin’ny ankapobeny ny vidiny farany ambany fa manomboka ny volana oktobra hatrany amin’ny janoary vao tena miakatra tsikelikely indray. Efa tafakatra 4 000 Ar ny kilaon’ny vary gasy (makalioka sy ny vary mena) ny volana desambra 2022 teo. Nidina ho 2 800 Ar izany tamin’ny fanomboha’ny niakaran’ny vakiambiaty, ny volana jona. Efa 3 000 Ar sahady anefa ny kilaon’ny vary gasy mena sy ny makalioka, ankehitriny. Nilaza Rtoa Razoelisoa Nirina, mpaninjara iray eto an-drenivohitra fa nanomboka ny faran’ny jolay teo izany fiakaram-bidy izany.
Lafobe koa ny vary « stock »
Nambaran’ity mpaninjara ity fa midangana be koa ny vidin’ny vary afarana avy any ivelany «stock». Tafakatra 140 000 Ar ny iray gony 50 kilao any amin’ny mpamongady, izany hoe 2 800 Ar ny kilao, ka amidy 3 000 Ar namihoatra an’izany amin’ny mpanjifa. «Tsy sahy nividy intsony aho ho amidiko, satria 100 000 Ar no nadraisanay azy taloha, ary namidy 2 400 Ar ny kilao amin’ny mpanjifa», hoy izy.
Manamarina ireo tenin’ny mpaninjara ireo ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Araka ny tatitra navoakan’ny antokon-draharaha ara-bola “Fitch Solutions”, hatrany amin’ny 500 dolara ny taonina, ny desambra 2022, raha nidina kely ho 438 dolara ny marsa 2023 teo. Antony, nitombo ny fanjifana nefa tsy nanondrana any ivelany ny firenena tena mpamokatra toa an’i India, tamin’ny taona 2022, taorian’ny krizin’ny Covid.
Njaka Andriantefiarinesy