Vaovao tambatra

Nanomboka omaly ny atrikasa ho an’ny fahaiza-manao eo amin’ny fiompiana trondro, ao Antsirabe, tohanan’ny tetikasa GIZ-PADM. Atao izao ho famolavolana ny lasim-piofanana momba ny asa sy ny fahaiza-manao ho an’ny fiompiana trondro an-dobo.

Anisan’ny mampihena ny taham-bokatra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nisy ny fandrafetana drafitrasa enti-manatsara sy manafaingana ny fanatanterahana ny fandaharanasa “food system resilience program (FSRP)”, omaly. Atao izao handresena ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.

Vita tanteraka, ny faran’ny herinandro teo, ny asa vonjimaika natao tamin’ny lalam-pirenena RNS 5A, mampitohy an’i Vohemar-Sambava. Nanomboka ny volana avrily teo ny asa, nanarenana ny lalana sy ny sisin-dalana ary ny tatatra, mirefy 10 km. Nanao ny asa ny orinasa Felana.

Miisa 5 000 ny zanakazo voakarakara ny 25 jolay teo, any amin’ny toeram-pambolen-kazon’Am­pasindava, kaominina Beantaka, ditriksa Betioky, faritra Atsimo Andrefana. Ampahany tamin’ny nambolena ny febroary 2023. Voalaza fa nahomby ny 78%-n’ny zanakazo novolena raha oharina amin’ny maha faritra maina ny any an-toerana.

Partager sur: