Sambany ! Handray anjara amin’ny fifaninanana mitondra motocross aty Afrika (MXOAN), hatao ny 9 hatramin’ny 11 aogositra izao, atsy Afrika Atsimo i Madagasikara. Miisa valo ny Malagasy handray anjara, 10 hatramin’ny 18 taona, amin’ny sokajy 125 cc, 85 cc, 65 cc ary 50 cc.
Nanolotra taratasim-bola mitentina 10 000 000 Ar ny delegasiona malagasy ny orinasa Airtel money, omaly. Nilaza ny tale jeneraliny, Mohamed Cisse, fa «manohana feno ny Malagasy mpifaninana ny Airtel, satria reharehan’ny Malagasy ny manasongadina ny fahaizany any ivelany. Hampirisika sady hampiroborobo an’ireo mpankafy moto izao fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny Federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMC) izao».
Nilaza ny filohan’ny FMC, Harison Jean Gabriel, fa «sambany nandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena any ivelany, toy ny MXOAN, i Madagasikara. Mahay amin’ity sehatra ity ny Malagasy, na dia manana traikefa sy fitaovana raitra aza ny Afrikanina tatsimo. Tanjona ny vao mainka hampiakarana ambony kokoa ny lentan’ny fahaizantsika». Nomarihiny koa fa hatao any Nosy-Be
amin’ny faramparan’ny taona 2023 ny fivoriamben’ny federasiona moto aty Afrika.
Njaka A.