Analamahitsy: Pakistanais roa lahy voasambotra

Pakistanais roa lahy sy Ma­lagasy roa tra-tehaky ny mpitandro filaminana tetsy Analamahitsy, afakomaly. Na­hatrarana fototra zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Mada­gasikara an-jatony tao amin’ izy ireo. Nokasainy haondrana an-tsokosoko ireo harem-pirenena ireo. Mananika ny 1 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ ireto zava-maniry ireto, araka ny tatitry ny zandary nanao famotorana. Nahitana karazana maro toy ny « euphorbia guillau­niniana” 182 fototra, ” pachypodium rosulatum” 59 fototra, “euphorbia platyclada” 130 fototra, “euphorbia primulifolia” 463 fototra ary “euphorbia hedyotoïde” 107 fototra izy efatra mirahalahy. Nogiazana avy hatrany ireto zava-maniry ireto. Marihina fa voarara ny fitrandrahana sy ny fanondranana ireo karazan-javamaniry ireo, araka ny lalàna laharana faha 2005-018, ny 17 oktobra 2005.

Tsiferana R.

Partager sur: