« Antsika hisôma vakansy »: fianarana ao anaty kilalao sy fialamboly

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika « Antsika hisôma vakansy”, karakarain’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola, raha izay andro maromaro nanombohany izay no asian-teny.

Feno avokoa ny fandaharam-potoana raha ny tamin’ity herinandro ity. Fampianarana asa tanana, filalaovana kilalaon-tsaina malagasy, hitohy amin’ny fijerena horonan-tsary izany amin’ity anio ity, ao anatin’ny « Tola­kandro misôma ».

Manolotra fialamboly sy fitaizana ho an’ny mpikambana sy ny liana rehetra amin’izany ny IKM Antsahavola amin’izao fialantsasatra izao. Afa-po ary nahafinaritra ireo tonga ny zavatra nampitaina sy nampianarina azy ireo. Nisy ny fampianarana “Origami” sy peta-kofehy ny andron’ny talata, nanombohana ny hetsika. “Brochette de fruit” ho an’ny ankizy ary “Bracelet brésilien” ho an’ny zatovo, no natolotra azy ireo, omaly. Nandritra ireo andro roa ireo, nisy hatrany ny fampianarana sy filalaovana kilalaon-tsaina, niarahana tamin’ny matihanina amin’izany.

Ho an’ny anio, hisy ny hetsika “Ankizy miala voly”. Ny fanaovana asa tanana vita amin’ny kofehy sy haikanto vita amin’ny loko no tena hibahan-toerana amin’izany. Hitohy amin’ny “Tolak’andro misôma” izany ny tapany hariva, hanaovan’ny mpandray anjara fanorona sy katro ary faranana amin’ny fijerena horonan-tsarimihetsika.

Hitohy hatrany ny hetsika, ary zava-baovao isan’andro no hatolotry ny IKM sy ny mpiara-miasa aminy amin’izao. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona ny fampahalalana sy fampianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora, ao anatin’ny kilalao sy fialamboly amin’izao fialantsasatra izao,

Lin M.

Partager sur: