Fatim-behivavy efa simba hitan’ny fokonolona nitsirara tao Andakana, distrikan’i Betroka, omaly maraina. Nanatonan’ireo nanatri-maso, tsy teo amin’ilay vehivavy ity intsony ny lohany. Notapahana tamin’ny zava-maranitra izany. Niezaka namantatra azy ny iray tanàna. Potika tanteraka anefa ny vatan’io ramatoa io. Efa niala koa ny nofo tamin’ny tanany havanana. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy avy hatrany ny mpitandro filaminana ao Betroka. Nozahana ny razana. Tsiahivina, nirongatra nanomboka ny volana mey teo ity tranga fanapahan-doha ity. Nahitana izany tao Tanambao Ranohira, Manombo, Somatasy hatrany Ihosy an-tampon-tanàna, nandray an-tanana nanokatra fanadihadiana ny zandary sy ny polisy. Omaly, tonga hatrany Betroka indray ny fahitana io tranga fahatapahan-doha io. Araka ny angom-baovao azo avy eo anivon’ny zandary hatramin’izao, hery hafahafa hakana fahefana ny anton’izany.
Tsiferana R.