Mitohy anio, ary hifarana ny sabotsy 5 aogositra 2023, ny hetsika fampianarana kabary, maimaimpoana, iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Manda Mpikabary, manerana ny boriborintany enina eto an-drenivohitra. Tanjon’ny mpikarakara amin’izany ny fampivelarana eny anivon’ny fiarahamonina, eo ihany koa ny fampahafantarana ny ankizy sy ny tanora ny maha izy ny kabary.
Anjaran’ireo mihoatra ny 16 taona indray no hianoka ny fampianarana kabary maimaimpoana karakarain’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fiainam-piarahamonina (DACVC), sy ny fikambanana Manda Mpikabary. Efa nisy ny natokana ho an’ny latsaky ny 15 taona ny alarobia lasa teo, izay nahaliana ankizy maro tokoa. Raha tsiahivina, efa maro ny hetsika fampianarana kabary nataon’ireto mpikarakara ireto. Ezaka manokana kosa ny nanaovana ity hatao rahampitso ity, hisarihana ny ankizy sy ny tanora, indrindra ao anatin’izao fialantsasatra izao.
Lin M.