Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy any Kinshasa, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nanaiky ny filohan’ny delegasiona, Rakotozafy Rosa, fa tena nisy ny olana natrehan’ny atleta malagasy sy ny delegasiona malagasy, teo amin’ny hotely sy ny fitaterana ary ny sakafo. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny Praiminisitra lefitra kongoley ary namaha ny olana. Tsy misy ahina intsony, araka izany, ny mahakasika ny atleta malagasy any an-toerana ary nohamafisina ny fiarovana azy ireo. Ny mpitandro filaminana eny anivon’ny fiadidiana ny filoham-pirenena kongoley mihitsy no nampiandraiketina izany any an-toerana. Taorian’ny fitarainana nataon’ny atleta malagasy, maro ny fanehoan-kevitra nitranga teny amin’ny tambajotran-tserasera, ka izany indrindra no antony nitondran’ny MJS no sady filohan’ny delegasiona malagasy fanazavana, omaly, teny amin’ny Kianja Barea.
Mi.Raz