Fanondranana lavanila : hitsipaka ny fepetra takina ny fanjakana malagasy

Tsy hanaiky ny tapaky ny Vaomiera eoropeanina izay ma­metra ny taha farany am­bony azo ekena amin’ny fisi­an’ny nikotinina ao anaty lavanila ny firenena malagasy. Hi­tsan­gana ny “task force” misy ny minisiteran’ny Fampirobo­ro­­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny mi­ni­siteran’ny Fambolena sy ny fi­ompiana ary ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny hanao ny adisisika mivantana any amin’ ny Vaomiera eoropeanina.
Nametra ny taha farany ambony azo ekena momba ny singa sasantsasany ao anaty sakafo ny Vaomiera eoropeanina tamin’ny fitsipika lf: 2023/377, ny 15 febroary teo. Tafiditra tao anatin’izany ny lavanila, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Misy nikotinina mihoatra ny taha farany ambony napetraky ny Vaomiera eoropeanina io ny 60% ny lavanila ma­lagasy araka ny voka-pitsirihana. Ho sakana amin’ny fanondranana lavanila malagasy eo amin’ny tsena eoropeana ny fampiharana io fepetra io.
Tsy voaporofo ara-tsiansa sy ara-teknika ny nandraisana ilay fepetra. Tsy afaka naneho hevitra ihany koa ny solontena malagasy eo anivon’ny Fi­kambanana iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC) nialohan’ity fanapahan-kevitra ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: