Kitra – «Ligue des Champions 2023» : hanomboka anio ny fifaninanana D2 nasionaly

Handray lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Ligue des Champions 2023” ireo faritra efatra eto Madagasikara. Anisan’izany Antsiranana, Ambatondrazaka, Tsiroanomandidy, Toliara.

Hotanterahina manomboka anio 4 aogositra ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, amin’ny 12 ora sasany ny solonte­nan’ Analamanga, FC Rouge no hiakatra kianja any Amba­ton­drazaka. Ny ekipan’Atsi­na­nana, TGBC no hifanandrina amin’izy ireo.

Marihina fa roa amin’izy ireo, klioba nivarina tamin’ny fifaninanam-pirenena «Orange Pro League» (OPL) 2023. Anisan’izany ny AS JFC sy ny FIVE FC. Tsiahivina fa ireo mpandray anjara 24 no zaraina amin’ireo toerana efatra : Antsiranana, Ambaton­dra­zaka, Tsiroanomandidy, Toliara.

Raha ny fanazavana voaray, ny 4 hatramin’ny 13 aogositra, fihodinana voalohany. Ny 8 – 17 septambra ho avy io ny dingana faharoa raha toa ka ny 4 – 8 oktobra ny farany. Ireo ekipa roa manao famaranana no hiakatra ao amin’ny fifaninanam-pirenena “OPL”.

Fitia

Fandaharam-potoana anio

Antsiranana :
10 ora : Espoir Betsiboka vs Five FC (Releg.OPL)
12 ora sasany : KFCA Diana vs AS Justice Sofia
3 ora : FC Zoya Boeny vs AS Vanilatsika Sava
Ambatondrazaka :
10 ora : 3 FB Alaotra Mangoro vs FCT Itasy.
12 ora sasany : TGBC Atsinanana vs FC Rouge Analamanga.
3 ora : FC A Analanjorofo vs AS 3A Amoron’i Mania.
Tsiroanomandidy :
10 ora : Jet Bongolava vs FC Zanagasy Vatovavy Fitovinany.
12 ora sasany : FC Inate Vakinankaratra vs MTM Melaky.
3 ora : ASJ FC (Releg. OPL) vs FC Leader Menabe.
Toliara :
10 ora : GJFT Betania Atsimo Andrefana vs FC Vert Blanc Anosy.
12 ora sasany : FC JSA Ihorombe vs FC Menanara Atsimo Atsinanana.
3 ora : Tsaraofana Matsiatra Ambony vs FC JM Androy.

Partager sur: