Lalaon’ny Frankôfônia-Mozika : Nosembanin’ny ara-teknika ry Ndaty Lahy

Nanao no tsy nambinina. Tapitra ny lalan’ny Ndaty Lahy taty Kinshasa. Manokatra ny lalan’ny tarika any an-kafa kosa anefa iny.

Tsy tafakatra tamin’ny dingana famaranana. Na teo aza ny talenta, tsy niara-dalana tamin’ny tarika Ndaty Lahy ny vintana taty Kinshasa, nandritra ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, taranja hira, anatin’ny sokajy zavakanto. Nivoaka ny alin’ny alarobia teo ny anaran’ireo firenena 8 tafakatra amin’ny dingana famaranana. Niandry ny fahavitan’ny anjara fiakarana an-tsehatr’ireo tao amin’ny Vondrona D, vao namoaka ny valiny ireo mpitsara.
“Ekenay ny vokatra amin’ny maha fifaninanana azy. Nisy nijerenay ny lesoka tokony harenina amin’ny manaraka iny. Misy kosa anefa ny indrokely tsy avy aminay, nanova zavatra betsaka. Voalohany indrindra ny lafiny teknika, nampikorontana ny fiakarana an-tsehatra nataonay. Efa nanao balance aloha be izahay. Tara adiny roa ny fanombohana ny andro voalohany, ary rehefa niakatra an-tsehatra izahay, niverina nikorontana tanteraka izany. Tsy heno ny « retour » ny an’ny sasany, ny an’ny hafa mafy loatra. Fotoana anefa no enjehina ana­tin’izany”, hoy ny nambaran’i Tsila, mpitendry gitaran’ny tarika Ndaty Lahy.

Olana hafa ihany koa ny fandaminana

Anisan’ny olana iray nosedrain’ny tarika Ndaty Lahy ihany koa ny tsy fitovian’ny vintana eo amin’ny samy mpifaninana. Tokony ho ny roa voalohany isaky ny sokajy no miakatra ny dingana famaranana. Tsy namoaka izay valiny isan-tsokajy izay anefa ireo mpikarakara, fa natambany tamin’ny farany izany. “Mpifaninana daholo ianareo rehetra avy amin’ny firenena 18 fa tsy ianareo anaty vondrona ihany. Natao mba handaminana ny fifandimbiasana an-tsehatra fotsiny iny”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara. Ireo izay niaka-tsehatra ny andro faharoa hatramin’ny fahefatra anefa, tsy nisedra olana ara-teknika intsony… Soa fa mbola ho lavitra ny lalana ho an’ny Ndaty Lahy.

Zo ny Aina

Partager sur: