Lalaon’ny Frankôfônia – Zavakanto : Medaly volamena ho an’i Richianny, volafotsy ho an’i Fitiavana !

Namiratra i Madagasikara, namiratra ny Malagasy mpanakanto! Nosalorana ny me­daly volamena, omaly, i Ri­chianny Ratovo, teo amin’ny sokajy hosodoko . Nanakoako teto amin’ny Musée national de la RDC ny hiram-pirenena malagasy, nampahatsiahy ny valin’ny asa sy ezaka nomban’ny talentan’ny mpanakanto, nifaninana tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. « Hay ny tsiky manaloka » ny anaran’ny tabilaony nalefany nifaninana. «Fitaratra, tantarao ahy » kosa ilay sanganasa nataony nivantana taty an-toerana, nambabo ny mpitsara sy ireo izay nitsidika rehetra. Fa nahazo ny medaly volafotsy ka niakatra teo amin’ny an-tanan-tohatra faharoa ihany koa i Fitiavana Ratovo, teo amin’ny sokajy sokitra. « Ny varavaran’ny fihavanana » no anaran’ny sanganasany nentiny nifaninana, ary ny « Mon rêve du Monde » kosa no novitain’i Fitiavana taty an-toerana, naharesy lahatra ireo mpitsara. Voaporofo indray fa mamiratra eo amin’ny talentany ny Malagasy mpanakanto.

Zo ny Aina

Partager sur: