Mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Seha-pihariana maro no tsidihan’ny delegasiona malagasy ikarohana fiaraha-miombon’antoka sy lalam-barotra
Mitsidika atsy La Réunion ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, miaraka amin’ny Malagasy mpandraharaha. Manotrona azy ireo koa ny loholona isany, Eddie Fernand Serge (sady kestora) sy Manasoa Donat Tang. Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria, ny Antenimieran’ny Asa sy ny asa tanana ary ny Antenimieran’ny fambolena any La Réunion.
Tanjona ny hanohanana ireo Malagasy mpandraharaha hitady mpiara-miombon’ antoka sy lalam-barotra any an-toerana sy eo amin’ny tsena, hahazoan’ny roa tonta tombontsoa.
Notsidihina ny toerana mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro «photovoltaïque», manana tanjaka 7 Mw. Eo koa ny toerana famahanana fiarakodia elektrika manana tanjaka 22 Kw. Nojerena ny toby famokarana herinaratra, ahitana takelaka miisa 30 000. Manampy izany ny toerana fiompiana tantely, mety hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy La Réunion.
Seha-pihariana maro
Anisan’ny traikefa hitan’ny delegasiona malagasy, tamin’ ny Vondrona kaoperativa URCOOPA, ny teknika fanodinana ho lasa akora fototra ho an’ny biby fiompy. Nojerena ny endriky ny fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny roa tonta.
Maro koa ny seha-pihariana hikarohana fiaraha-miombon’antoka, toy ny fanabeazana sy ny fiofanana arakasa amin’ny fanaovana mofo, ny hena sy ny fanodinana azy, ny vy, ny fikarakarana tarehy amam-bika, ny fizahantany, ny fitaterana, ny varotra ivelany, sns.
Njaka Andriantefiarinesy