Tsy tokony hadinoin’ny ray aman-dreny fa misy antony avy amin’izy ireo ny tsy fahombiazan’ny zanany amin’ny fianarana. Eo, ohatra, ny fikorontanan-tsain’ny zaza vokatry ny ady lava eo amin’ny dada sy neny. Tsy fanaraha-maso ny fianaran’ny zanany fa variana mitady vola, tsy ampy ny fitaovam-pianarana, tsy manana fotoana hianarana any an-trano vokatry ny fandraisana anjara be loatra amin’ny asa ao an-trano… Tokony hojerena akaiky, noho izany, ny fototry ny tsy fahombiazana hanitsiana ny lesoka ho an’ny taom-pianarana vaovao ho avy.
Ho an’ireo mpianatra efa mianatra ka nifindra kilasy, ho fiatrehana ny fidirana ny 4 septambra izao, nampahafantarin’ny mpanolotsaina pedagojika fa tsy mifanalavitra amin’izay natao tao amin’ny kilasy nialana no miandry ao amin’ny kilasy nifindrana fa miampy kely fotsiny ny taranja tsirairay. Na miova aza ny efitrano sy ny mpanabe ary ny fitaovana, tsy tokony hampanahy velively. Raha toa kosa tsy nifindra kilasy na tsy afa-panadinana ilay ankizy, ambara aminy fa tsy voatery ho tsy nahay na inona na inona, matoa tsy afaka na tsy nifindra, fa nisy tsy ampy ny fahaizana ka tsy nahatratra ny naoty nilainy izy. Omena hery izy hahazo ny lohalaharana satria efa hitany tamin’ny taon-dasa avokoa izay hianarana amin’ny fameranan-taona handalovany.
Vonjy A.