Maty nitelina poizim-boalavo ny tovolahy iray, omaly. Tsy nahazaka fisarahana niharo teny maharary nataon’ny olon-tiany taminy izy.
Nividy poizim-boalavo telo fonosana, namoy ny ainy ny lehilahy iray 18 taona tao amin’ny fokontanin’i Morafeno, parisela 14/22, anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, omaly. Tsy nifanara-kevitra tamin’ny sakaizany izy. Tsy an’asa, tsy nahazaka ny fifamaliana nisy teo amin’ny roa tonta ilay lehilahy. Poa toy izay, nandeha nihazo ny tsena tao Valpinson izy. Nividy poizim-boalavo ka nihinana izany. Tsy nisy nahatsikaritra io fihetsiny io anefa ireo manodidina azy. Taitra ireto farany raha nahita io tovolahy 18 taona io efa tsy nisy aina intsony. Mbola tavela tao am-paosiny ny iray tamin’ny fonosana poizina telo novidiany.
Zava-mahadomelina
Mampirongatra ny fahasahian’ny tanora manaotao foana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’izao fotoana. “Tsy zakan’ny atidohan’ny tanora eto amintsika ny “cocaine” sy “heroïne” ka lasa mitarika azy ireo hanita-kevitra”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Mitaky andraikitra avy amin’ny ray aman-dreny anefa izany saingy matetika tsy tontosa. “Na eo aza ny rotorotom-piainana andavananandro, ilaina ny mampiditra ny ankizy anaty fikambanana toy ny any am-piangonana”, hoy ny fanamafisany. Tsiahivina, zazalahy 12 taona maty nanaton-tena tao Masomeloka, ny alahady 30 jolay teo. Lehilahy iray hafa koa, nihantona tamin’ny tady tao an-tranony tao Tsiadana-Ampasanimalo, ny alarobia teo.
Sajo