Seha-pihariana : mahavelona ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina

Mahazo vahana ny fiompiana an­ke­hitriny, raha ho an’ny eto Mada­ga­sikara. Manao izany avokoa na olon-tsotra na karazana tetikasa samihafa fa tsy mij­anona eo amin’ ny tantsaha hatrany. Seha-pihariana iray an­i­san’ny mahavelona tsara izany, ho azy ireo.

Miroborobo ary tafiditra anatin’ny fandraharahana tanteraka ny fi­ompiana ho an’ny tantsaha maro eto amin’ny Nosy. Ani­san’izany, ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina. Manodi­di­na ny 50 mahery ireo kaominina eto amin’ ny faritra Ana­la­manga no misehatra amin’ny fanaovana izany, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’izany, ny kaominina Alatsinainy Am­bazaha, Antsahadinta, Tane­ti­kelin’Ambohijoky, Ambalavao, Ambatofahavalo, Bongatsara, Anjeva gara, Alakamisy fenoarivo, Ambatomirahavavy, Ime­ri­tsiatosika, Ambohidratrimo, Itaosy, Miarinarivo, Talamaty… Efa miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. «Azo avy amin’ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina ny 50 hatramin’ny 70%-n’ny vola miditra amin’ny tantsaha manao azy», hoy ny mpiompy iray mivondrona ao amin’ny vovonan’ny Fikambanan’ny mpiompy ako­ho gasy (Fimpagasy), Ran­dri­a­mifaly Hery Jean Jacques Michel, avy ao amin’ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, raha nanontaniana teny An­do­ha­tapenaka, nandritra ny «Fier-Mada», afakomaly. Nila­za izy fa mahazo hatramin’ny 4 Tapitrisa Ariary eo ny vola miditra ho an’ny mpiompy iray ao anatin’ny herintaona. «Mahavelona tsara ny fanaovana izany raha mifikitra sy manaraka ny fepetra takina rehetra ny mpiompy iray», hoy hatrany izy. Mahatratra 25 000 hatramin’ny 35 000 Ariary eo ny vidin’ny akoho gasy lehibe iray. Ho an’ny zanak’akoho iray volana, manodidina ny 4000 sy 5000 Ariary. 8000 Ariary kosa ho an’ny akoho roa volana.

Mbola malalaka ny tsena eo amin’ny fiompiana akoho gasy raha eto Madagasikara. «Filière» anankiray azo atao antom-pivelomana sy ahazoana tombontsoa maro ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina ka antony nandrisika ahy hanao sy handalina misimisy kokoa mikasika izany», hoy hatrany izy. Nanao fiompiana nentim-paharazana hatry ny fahazazana fa nanomboka niditra tao anaty fikambanana manatsara ny seha-pihariana amin’ny alalan’ny fanasarahana zanak’akoho teo amin’ny 2015 izy. Ka nanomboka teo ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina. Nanao fiofanana maro samihafa mikasika izany mba hahafahana mahavokatra tsara. Tanjona ny hamokarana fiompiana ma­tan­jaka sy afaka mifaninana ary miha ngeza amin’ny fitantanam-pianakaviana.

Sakafo, akora fototra

Miezaka ny mpiompy ha­na­mora ny sakafo hanin’ny akoho gasy, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo akora fototra misy eo an-toerana (vary, man­gahazo, apombo, katsaka, soja, «petit pois»…). Eo koa ny fanaovana holitra amin’ny zezi-kisoa, fanomezana sahona ary fozaorana… Ji­fa­i­na eny an-tsena ny fanampin’ izany. Mba hialana amin’ny famoaham-bola be loatra. Kajiana hatrany ny vidin’ireo sakafo ireo fa tsy ataotao foana. Mahazo hatramin’ny 5 000 hatramin’ny 7 000 Ariary isaky ny akoho ny tombony azon’ny mpiompy, raha manaraka sy manatanteraka antsakany sy andavany ny fandaniana, fanaraha-maso ary ny ara-pahasalaman’ny akoho ny mpiompy.

Mila manana 500 000 Ariary raha te hiompy

Manana vola manodidina ny 500 000 hatramin’ny 1 000 000 Ariray eo ny olona iray te hiditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana fiompiana akoho gasy. Natokana hanamboarana tranon’ny biby fiompy sy hividianana ny sakafony ary hividianana ireo akoho izany. Mihoatra lavitra an’io lelavola io kosa raha manam-paniriana hanangana “ferme” goavana. “Ilaina ny fanarahana fiofanana mba hampahomby ny fiompiana”, hoy Randriamifaly Hery Jean Jacques Michel. Betsaka ny vakoaka malagasy manjifa ny akoho gasy. Manjifa ny akoho lehibe ny olona iray raha hatao sakafo. Misafidy zanak’akoho sy vantotr’akoho ireo mpamindra fahana. Ankoatra izay, manjifa izany ihany koa ireo karazana tetikasa manerana an’i Madagasikara sy ny olon-tsotra manana toeram-piompiana goavana (ferme) na tsy manana. Ankoatra izay, ireo ankizy avy nahavita fiofanana sy fianarana misehatra amin’ny fiompiana.

Tsara ho an’ny akoho gasy ny fisiana toerana malalaka hahafahany mihenjy ary manana trano atoriany. Akoho kely 10 no taizana ao anatin’ny trano 1m2 . Ao anatin’ny 2m2, ahitana akoho vavy 5 sy akoholahy iray. Sarahina ary manaraka “traitement” avy hatrany ireo akoho kely vao fohy iray andro. Zavatra ilaina ho an’ny akoho gasy ny fampiasana ny “abreuvoir” na bidon jaune na tavoahangy atao fanomezana rano sy sakafo. Mahatratra eo amin’ny 5 kilao rehefa tena vaventy ny akoho iray.

Sary sy soratra : Mino

Partager sur: