Soratra sy tantara: miatrika fihaonambe ny Faribolana Sandratra

Tanterahina any Maha­janga ny fihaonambem-pirenen’ny Faribolana Sandratra. Zaikabe fahaenina, handinihana ny fiainam-pikambanana iray manontolo sady fampiraisana ny mpanoratra manerana ny Nosy, raha ny fanazavan’i Zo-Maminirina, mpikambana Faribolana Sandratra, sady mpandrindra ny sampana Antananarivo, teo aloha.

Maro ny raharaha handraisana fanapahan-kevitra. Anisan’izany ny fanatsarana ny fiainam-pikambanana, ireo hetsika nasionaly sy ny isam-paritra hotanterahina manaraka. Fanendrena ny mpandrindra nasionaly sy ny mpandrindra ny sampana. Famahana ireo olana niainana tao anatin’ny fotoana tsy nihaonana. Marihina fa ao anatin’izao fihaonambem-pirenena izao no hanapahana ny fihaonana manaraka. « Izay no mahatonga ny fe-potoana hanatanterahana ny fihaonana tahaka izao ho roa na telo taona », hoy hatrany i Zo-Maminirina.
Anisan’ny mampiavaka ny Faribolana Sandratra ny fananana ireo mpanoratra zoky izay miezaka hatrany manatanteraka fifanakalozana ho an’ireo tanora. Ankoatra io fifampizarana traikefa io, nomen’ireto mpanoratra ireto lanja lehibe ihany koa ny fanaovana tsikera ny asa soratra eo anivon’ny fikambanana. Fomba fiasa miteraka fandrosoana sy fivoarana lehibe ho an’ny mpanoratra taty aoriana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: