« Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka ». Ho hita eny amin’ny fivarotam-boky, manomboka ny faran’ny volana septambra 2023, ny boky « Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka », notontosain’i Johary Ravaloson, niarahany niasa tamin’ny trano mpanonta boky Dodo vole sy ny Mary-des-ailes, teo amin’ny sary dokan’ny soratra.
Atrikasa teatra ho an’ny Ankizy. Mifarana anio ny atrikasa teatra ho an’ny Ankizy, nokarakarain’ny “Compagnie Miangaly Théatre”. Ny 17 jolay 2023 hatramin’ny anio no nanatanterahina izany teny amin’ny Epp Antsahabe. Tafiditra ao anatin’ny hetsika famerenana ny maha izy ny teatra ny hetsika, ary mbola hitohy ho an’ny salantaona sasany.
Tsiok’Ampita. Tanterahina, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio amin’ny 8 ora alina, ny fampisehoana iarahana amin’ny « Tsiok’Ampita ». Ity tarika ity izay fantatra amin’ny filalaovana mozika « Rock ». Tsy ho tapitra eo fa hitohy eny amin’ny Le Garage ny hetsika aorian’io.
Fara Gloum, Lilie, Manoa. Fampiaraham-peo tsy zovina amin’ny maro no ho hita eny amin’ny Piment Café Behoririka, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fara Gloum sy Lilie ary Manoa no hanafana ny fiarahana amin’io fotoana io. Hira maro samihafa, vahiny sy malagasy, no handravahan’izy ireo ny fampisehoana amin’ity anio ity.