VAOVAO TAMBATRA

Haka traikefa amin’ny fahombiazan’i Rwanda amin’ny fampandrosoana ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara. Hitarika ny delegasiona malagasy ny filoha Rajoelina, miaraka amin’ny minisitra vitsivitsy ary Malagasy mpandraharaha, ny 7 sy 8 aogositra ho avy izao. Hisy fifanarahana fiaraha-miasa hatao sonia eo amin’ny roa tonta.
Hotokanana ny 17 aogositra ho avy izao ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), mampitohy an’Analamisampy sy Bevoay, Bevoay sy Manja. Hatomboka amin’io fotoana io koa ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky ao anatin’ity RN 9 ity ihany. Tetezana lava indrindra, mirefy 878 metatra.
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana momba ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ireo fitaovana ara-teknika ho an’ny tetikasa fampiroboroboana ny voka-bary (PAPRIZ). Fanomezana avy amin’ny sampandraharaha japoney JICA ireo fitaovana ireo. Tsiahivina fa misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny toekarena malagasy ny JICA.
Mitentina 15 000 dolara ny latsakemboka telo taona aloan’ny fanjakana malagasy eo anivon’ny tambajotra afrikanina momba ny tsenam-panjakana. Tsiahivina fa natsangana ny 30 oktobra 2018, tany Lomé, Togo, ity fikambanana ity. Tanjona ny hampiroboroboana ny tsenam-panjakana hampirisika ny fiaraha-miasan’ny firenena afrikanina mpikambana.

Partager sur: