Cash point iray lasibatry ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Miaramasoandro Vatofotsy, kaominina Antsirabe, ny talata 2 aogositra teo. Niandry kendry tohina ny mpivarotra sady mpanao cash point io ireo jiolahy. Nitaky avy hatrany ny vola teny amin’ny raim-pianakaviana izy ireo. Lasa ny vola. Tsy nanaiky anefa ireo olon-dratsy fa nalainy koa ny entam-barotra sasany. Niezaka hanohitra, niantso vonjy ilay lehilahy lasibatra. Noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy avy hatrany ny tanany. Ankoatr’io, nodarohany teo amin’ny lohany koa ilay raim-pianakaviana. Tsy afa-namaly ny vady aman-janany. Nirifatra nandositra niaraka tamin’ny entana sy vola azony ireo tsy valahara. Marihina, fanindroany niharan’ny asa fanendahana toy izao ity fianakaviana ity. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.