Notanterahina omaly ny andro voalohan’ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra, diviziona faharoa, nasionaly. Araka ny vokatra voaray, resin’ny solontenan’ Atsinanana, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny FC Rouge, tompondakan’Analamanga. Fihaonana notanterahina tany Ambatondrazaka.
Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny Five FC, nivarina tao amin’ny “Orange Pro League” sy ny ekipan’ny AS Espoir Betsiboka. Ratsy fanombohana, araka izany, ny ekipa avy eto Analamanga saingy mbola manana lalao maro izy ireo hahafahany manarina ny lesoka. Marihina fa mizara dingana telo ity fifaninanana ity. Raha ny fanazavana voaray, ny 4 hatramin’ny 13 aogositra, fihodinana voalohany. Ny 8 – 17 septambra ho avy io ny dingana faharoa raha toa ka ny 4 – 8 oktobra ny farany. Ireo ekipa roa manao famaranana no hiakatra ao amin’ny fifaninanam-pirenena “OPL”.
Fitia
Voka-dalao nandritra ny andro voalohany
Antsiranana :
Espoir Betsiboka (0) vs (0) Five FC (Releg.OPL)
KFCA Diana (2) vs (2) AS Justice Sofia
FC Zoya Boeny (3) vs (0) AS Vanilatsika Sava
Ambatondrazaka :
3 FB Alaotra Mangoro (3) vs (2) FCT Itasy.
TGBC Atsinanana (2) vs (1) FC Rouge Analamanga.
FCA Analanjorofo (2) vs (2) AS 3A Amoron’i Mania.
Tsiroanomandidy :
Jet Bongolava (1) vs (3) FC Zanagasy Vatovavy Fitovinany.
FC Inate Vakinankaratra (3) vs (2) MTM Melaky.
ASJ FC (Releg. OPL) (1) vs (0) FC Leader Menabe.
Toliara :
GJFT Betania Atsimo Andrefana (3) vs (1) FC Vert Blanc Anosy.
FC JSA Ihorombe (3) vs (1) FC Menagnara Atsimo Atsinanana.
Tsaraofana Matsiatra Ambony (2) vs (1) FC JM Androy.