Fampiasana fanafody fandrindram-piterahana: ho tratra ny tanjona 60%, hoy ny solontenan’ny Unfpa

Mpiray ombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny fahasalamana ara-pananahana sy fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny azo sorohina ny Unfpa.

Nahafa-po ny vokatry ny asa ho an’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona famaranana ny fandaharanasa fahavalo iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa) ity, hoy ny solontenany eto amintsika, Josiane Yaguibou, omaly teny Anosy. Nivoitra ny fiakaran’ny tahan’ny fampiasana fanafody fandrindram-piterahana izay efa manakaiky ny 50% raha 60% ny vina napetraka hatramin’ny fiafaran’ny fandaharanasa, araka ny nambarany ihany. Nitombo koa ny isan’ny vehivavy niteraka teo ambany fanaraha-mason’ny razasy tohanan’ny Unfpa. 26 553 izy ireo no nisitraka ny fikarakarana teny anivon’ny tobim-pahasalamana. 1 437 rahateo ny toeram-pitsaboana nampitaovana sy naraha-maso. Nahazo fiofanana koa ireo olona mandray an-tanana ny vehivavy maniry ny handrindra fiterahana amin’ny fanafody.
Samy nizara ny zava-bita ny minisitera mpiara-miasa amin’ny Unfpa: ny minisiteran’ny Fahasalamana, minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, minisiteran’ny Mponina… ary nanao tombana ny vokatra azo. Hanomboka amin’ny taona 2024 ary haharitra efa-taona ny fandaharanasa fahasivy iarahan’ny roa tonta ihany.
Asa telo no hifotoran’ny fifanohanana: fanafoanana ny fahafatesan’ny reny azo sorohina, fandringanana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy ary ny fahazoan’ny rehetra misitraka fanafody fandrindram-piterahana sahaza azy. Teo amin’ny fanafoanana ny VBG, nisy fidinana ifotony natao tany amin’ny faritra Atsimo Andrefanan Vatovavy, Fitovinany ary Androy nandritra ny fanatanterahana ny fandaharanasa.

Vonjy A.

Partager sur: