Fandaharanasa Club des maçons: 30 mianadahy nahavita fiofanana momba ny taotrano

Notanterahina teo Ampe­filoha, tamin’ity herinandro ity, ny fanolorana mari-piofanana ho an’ireo mpanao taotrano 30 mianadahy, izay nanaraka ny fandaharanasan’ny Ce­men­tis, club des maçons. Noforonina ny fandaharanasa club des maçons hahafahana manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo amin’ny taotrano sy ny asa vaventy, hanome fahafahana tsara kokoa ho an’ny mpiasa ary miantoka ny fanatsarana ny loharanom-bolany.
Mifanome tanana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomezana fiofanana ara-kalitao ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy fiofanana arakasa sy ny Cementis.
Nanomboka ny taona 2021 ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mamaritra ny fanamarinana sy fankatoavana ny mari-piofanana. An­koatra izay, misy ihany koa ny fanamboarana na fanarenana ireo foibe fanofanana teknika sy arakasa maromaro. Ezaka manan-danja ho amin’ity taona ity ihany koa ny fanofanana eny an-tsehatra amin’ny fampiasana ny simenitra.

Vonjy

Partager sur: