Saika isan’andro ny ahenoana loza ahafatesan’olona vokatry ny fampiasana moto. Noho ny fandehanana mafy hatrany ny ankamaroan’izany.
Namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy ny raim-pianakaviana iray 76 taona nitondra moto, tao amin’ny fokontany Ambihibolabe, kaominina Amboasary Gare, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy tafavily fiolanana, nifatratra tanaty tatatra ilay mpitondra moto. Nitondra olona iray, nipitika teny ambony moto koa ity farany. Vokany, maty teo noho eo, noho ny fahavakisan’ny lohany ilay raim-pianakaviana. Niezaka nanavotra ilay faharoa kosa ny manodidina ka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Naratra mafy io nitaingina taorian’ny mpitondra moto io. Tsiahivina, nitrangana lozam-pifamoivoizana koa teo Ambohijatovo, boriborintany faharoa, omaly. Taxi-be 119 tapaka hisatra ka nandratra olona am-polony. Fiara roa koa potika tanteraka teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mbola vokatry ny fandehanana mafy ihany.
Tsiferana R.