FANTINA sy FINTINA

Tonga teny amin’ny Ceni, nikasa ny hijery ny ahazoana ny lisi-pifidianana ny MMM, tamin’ny alalan’ny Me Rakotomalala Rija, omaly. “Azon’ny antoko politika jerena izany ary voalazan’ny lalàna ka manao izany izahay izao”, hoy izy. Nampanantena ny ahazoan’ny antoko rehetra izany ny filohan’ny Ceni. Mbola mamarana ny pitsopitsony ny teknisianina amin’izao, araka ny nambarany.

Nandohalika tamin-dranomaso ny mpa­nankato Wawa nangataka amin’ny filohan’ny Re­poblika ny hamoahana am-ponja an’ i Ninie Donia, nadritra ny lahateny fanokafana ny hetsika Somarôho ao Nosy-Be, afakomaly. “Ampy izay na eo aza ny hadisoany. Tokony avela hody any an-tranony izy na tsy mbola vita aza ny saziny ary ametrahana mpiambina”, hoy izy.

Mitory tsy fahatokisan-tena ny fanirahana lehiben’ny distrika sy prefet hanao tatitra ny zava-bitan’ny fitondrana eny anivon’ny kaominina, raha ny nambararan’ny depiote RPSD Vaovao, voafidy tany Morafenobe, i Voninahitsy Jean Eugène. Fihetsika mandrovi-tsihy ny filazana azy. Hatramin’izay, tsy nisy an’izany. Fomba fanerena ankolaka ny olona hifidy ny filoha izany.

Partager sur: