Fiarovana ny fotodrafitrasa : Fikambanan’ny mponina 18 hanolo-tanana ny CUA

Manana solontena ao anatin’ny fikambanan’ny mponina avokoa ny boriborintany enina eto an-drenivohitra hanome tolo-tanana ny mpitantana hitondra fampandrosoana eny ifotony.

Ho fampandrosoana ny tanàna, mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy mihalangalana fotsiny eny anivon’ny fokontany misy azy. Nitombo 18 indray ny fikambanan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra hifanome tanana amin’ny mpitantana amin’ny andavanandro. Hifototra amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona ny tanjon’ny fikambanana anatin’ny fokontany 18. Hampianarin’ny fikambanana hiaro ny fotodrafittasa efa misy (paompin-drano, lalana, fanasan-damba…) ny mponina. Beazina ihany koa handray andraikitra ka hametraka ny fako eny amin’ny daba manokana efa nomanina ho amin’izany fa tsy hitazana fotsiny raha mahita fako miparitaka eny rehetra eny, hoy ny solontenan’ny mponina, Andriamihaingo Narivelo, omaly, teny amin’ny Lapan’ny tanàna.
Manome tolotra sy fitaovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa andraikitry ny vahoaka eny ifotony no mikoja sy miaro azy ireny ho tombontsoa iraisana. Hianatra fahaiza-mitarika aloha ny samy mpikambana anatin’ny fikambanana 18 ary hanao drafitra hitondrana ny asa fanentanana. Mitaky fanovana toe-tsaina ny fandraisana andraikitra ka sarihina ny sokajin’olona amin’ny zavatra mahaliana azy ary ampiarahana amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena. Homena fanampiana amin’ny hevitra koa ireo manana tetikasa hampandrosoana ny fokontany isanisany.
Mpanolotsain’ny tanàna amin’ny fampandrosoana ny tanàna avokoa ireo mpikambana anatin’ny fikambanana 18 nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny kaominina ka tsy hiasa irery intsony fa hifanome tanana amin’ny mpitantana ny tanàna, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Voalaza ao anatin’ny boky avokoa ny andraikitra hosahanin’ny fikambanana tsirairay.

Tranoben’Iarivo
Tsy latsaky ny 100 amin’izao fotoana izao ny fikambanan’ny mponina eto Antananarivo miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny sehatrasa samihafa fa vina ny hitondra fampandrosoana. Tsy ho ela dia ho tafatsangana ny tranoben’Iarivo amin’ny fokontany 92 eto an-drenivohitra hampiroborobo ny Renivohitra, hoy ny filohan’ny vaomieran’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly, Ravololomanana Lalatiana.

Vonjy A.

Partager sur: