Hotanterahina ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Stade National de Gaborone, Botswana ny lalao savaranonando mandroso, hikatrohan’ny Gaborone United sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra.
Ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka amin’izao fotoana izao, ny Elgeco Plus. Nambaran’ny mpanazatra mpanampy, Radafison Jimmy, fa eo am-pametrahana ny paikady entina miatrika ny lalao ankehitriny izy ireo. Efa nahavita lalao tsapa miisa 3 izy ireo ary mbola mihevitra ny hanatontosa fihaonana 2 hafa mialoha ny hihazoana an’i Botswana. Nomarihiny fa efa mijery ny horonantsary ny lalao nataon’ny Gaborone United, izy ireo. “Ekipa mahay ny botsoane ka tsy azo ambaniana”, hoy izy.
Olana ho an’ny Elgeco Plus, ny fisian’ireo mpilalaony manatevina ny Barea de Madagascar, izay manomana ny lalaon’ny Nosy.
Tompondaka