Hotanterahina manomboka ny 8 -12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire ny fifaninanana iraisam-pirenena IHF Trophy Continental, taranja HandBall. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Akio de Madagascar.
Niainga halina, nihazo an’i Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire ny Akio de Madagascar, sokajy “cadette” sy “junior” vehivavy, taranja handball. Hiatrika ny dingana farany amin’ny IHF Trophy continental, izy ireo. Mpilalao 27 mirahavavy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’ity ka 14 eo amin’ny “cadette”, 13 “junior”. Fifaninanana, hanomboka ny talata 8 jolay ho avy izao. Hanana ny lanjany goavana io fihaonana io, satria hiadiana ny tapakila, hiatrehana ny IHF Trophy Mondial.
Efatra ny firenena hiady izay ho lohany ho an’ny “junior” dia i Madagasikara, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, Guinée ary Tanzanie. Efatra ihany koa ny “cadette” dia i Madagasikara, Rwanda, Guinée ary i Nigeria. Hifandimby hihaona izy ireo ka hisolo tena an’i Afrika amin’ny IHF Trophy Mondial, izay voalohany amin’ izany.
Notoloran’ny minisitra Coach fampitaovana ny Akio
Nomen’i Yvette Sylla, minisitry ny Raharaham-bahiny tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Akio ireo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fanampiana. Hetsika izay notanterahina ny alakamisy lasa teo, teny Vontovorona. Marihina fa ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no reny mpiahy ny Akio Handball. Ankoatra azy, i Mahatante Tsimanaoraty Paubert, minisitry ny Jono sy ny toekarena tanga no miahy ny Akio.
Tompondaka
-Akio “cadette” : 1-Stella ; 2-Faniha ;
3-Victorine ; 4-Fifaliana ; 5-Thacia ; 6-Divya ;
7-Edmine ; 8-Sarah ; 9-Berthina ; 10 Alphine ;
11-Francia ; 12-Diadema ; 13-Camille Soary ;
14-Loumy Moina.
-Akio “junior” : 1-Aimée Patricia ;
2-Santatriniaina ; 3-Sydonie ; 4-Hakotiana ;
5-Albertinah ; 6-Nambinina ; 7-Laurence ; 8-Tafita ; 9-Chamirah ; 10-Fandresena ; 11- Vinnah ;
12-Stephanie ; 13-Fitiavana