Ny taona 1992 no lasa eo ambany fiahian’ny oniversiten’i Toliara ny «Institut halieutique et des Sciences Marines, IHSM» ao Toliara, manome fampianarana momba ny tontolon’ny ranomasina. Ivontoerana tokana eto Madagasikara manofana izany ary manodidina ny 300 eo ho eo isan-taona ny tanora mifaninana hiditra ho taona voalohany raha 36 amin’ireo ihany no voaray ho L1, araka ny fanazavan’ny mpitantana voalohany ny ivontoeram-panofanana, dokotera Rasoamananto Irène. Eto Antananarivo, ao Toliara ary any Fianarantsoa no misy ny foibem-panadinana handraisana ireo mpifaninanana vaovao isan-taona. Ho an’ireo efa manana ny mari-pahaizana Master, manana école doctorale en science marine et halieuthique ny ivontoerana. Ahitana «unité de reherche» maromaro koa ao aminy momba ny tontolo iainana an-dranomasina, fahalotoana an-dranomasina, jono… Tsy mahasahana ny fampianarana ny isan’ny mpampianatra ary olona nivoaka avy ao amin’ny IHSM avokoa ny ankamaroan’ny mpampianatra an-tselika manampy.
Mampiavaka ny IHSM koa ny fananany “musée de la mer” mahasarika mpitsidika maro nanomboka ny taona 1961. Mitondra ny anaran’ny océanographe Rabesandratana Haitan Dieudonné, mpamorona azy, ny musée. Ahitana ireo biby sy zava-maniry any anaty ranomasina sy ny tantaran’ny fiaim-piainany ny toerana fampirantiana.
Vonjy A.