Ho an’ny telovolana ho avy : aogositra-septambra ary oktobra, ho vinavinaina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy, afa-tsy ny faritra Diana, Sofia sy ny ilany avaratry ny faritra Sava sy Alaotra Mangoro.
Foana ny fampitandremana mahakasika ny alondrano ho an’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Mbola mila mitandrina hatrany kosa ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy satria hanonja be ny ranomasina.
3 934 137 ny zaza vita vaksiny ka ny 2 878 355 no nahavita ny dingana rehetra. 22 283 071 ny fatram-baksiny nozaraina nandritra ny hetsika fanaovam-baksiny manokana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ho an’ny fiahiana ny zokiolona kosa, 32 720 no nodidiana katarakta.