Kabary : hanao pao-droa ny Fi.Mpi.Ma Toliara

Hiavaka ny andro anio sy rahampitso, any Toliara ! Roa andro hamoahana andiana mpikabary roa. Anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Tranoben’ny ko­lontsaina sy ny serasera, Faritra Atsimo Andrefana, havoaka amin’ny fomba ma­netriketrika ny andia «Maza­valoha». Rahampitso, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny Amphi Degs, Maninday, no hamoahana indray ny andia «Tantely». Samy hetsika iarahana amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) faritany Toliara avokoa ireo.
Mandritra ny lanonana tanterahina, anio, no hanatanterahin’ny filohan-tsampana Fi.Mpi.Ma Toliara I, ny fianianany. Hosalorana lamba kosa ny andia «Mamiratra». Ny rahampitso alahady tolakandro, andiana mpikabary roa be izao no hosalorana lamba. Ny andia «Peratra» sy ny andia «Fandrama».
Marihina fa ankoatra ny fianarana kabary, anisan’ny manome lanja ireo sehatra hafa kanefa mifamatotra
amin’ny kabary ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Iray amin’izany ny fampiarahana ny fizahantany sy ny kabary. Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana isam-paritra ny fahaiza-mifehy ny kabary misy any amin’ny toerana tsirairay. Efa teraka tao anatin’izany ny vondron’ny mpikabary mise­hatra amin’ny zahatany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: