Vokatra vita malagasy maro no miranty manome fahafaham-po ny mpitsidika ny fampirantiana « Kanton’i Gasikara », eny Antaninarenina. Sehatra maro no nahazo voka-tsoa tamin’ny hetsika. Anio no hifarana ity fampirantiana ity
Mifarana anio ny hetsika fampirantiana «Kanton’i Gasikara», atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Sakafo, haikanto, lamba fitafy ary asa tanana malagasy maro samihafa no hita teny an-toerana nandritra izay telo andro nanaovana ny hetsika izay. Manodidina ny 30 isa ny tranoheva mandranty ny zava-bitany avy. Ny Chez’L Madagasikara, miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (ORTANA), miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka maro samihafa no miara-misalahy mikarakara ny hetsika.
Ambohipihaonan’ny mpankafy sy mpanjifa ny vita Malagasy ny eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, nanomboka ny 2 aogositra 2023. Vita malagasy, ary novokarina teto Madagasikara avokoa ny entana miranty eny an-toerana. Misy ny sakafo, ahitana koba, saosisy, tantely, dobera vita amin’ny akora maro samihafa… Miranty eny ihany koa ny akanjo fitafy sy lamba vita amin’ny landy. Misy ihany koa ny firavaka isaky ny karazany avy, vita amin’ny rafia sy voatefy, sahala amin’ny kavina sy firavaka fanao amin’ny tongotra sy tanana.
Mampiroborobo ny fizahantany ny hetsika
Fanararaotra ho an’ny eo amin’ny sehatry ny fizahantany ihany koa ny hetsika. Maro ny mpizahatany, indrindra ny vahiny no tonga teny an-toerana nankafia ny fampirantiana. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, Maro ny vina ezahina hotratrarina ao anatin’izao hetsika izao. Misy ny fanomezana sehatra ny mpandraharaha malagasy. Faharoa manaraka izany ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny haikanto vita malagasy. Ankoatra ireo, tanjon’ny fampirantiana ihany koa ny fampandehanana ny fizahantany anatiny.
Lin M.
.