Mifameno fa tsy mifamono

Fiteny ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Izay no miantoka ny famokarana sy ny fihariana. Tsy misy fihatsaram-piainana, raha anjakan’ny olon-dratsy izay atao. Mety ho rava sy very ao anatin’ny fotoana fohy izay nisasarana an-taona maro. Izay no maha zava-dehibe ny fampanjakana ny fandriampahalemana… maro lafy.
Manomboka eo amin’ny tsirairay sy ny isan-tokantrano izany, mipaka amin’ny faritra sy ny firenena. Mba tena milamina ve, ohatra, ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro? Izay koa ny maha zava-dehibe ny filaminana sosialy: fananana asa mahavelona, vidim-piainana voafehy, fahazoana mitsabo tena…
Mety mitarika tsy fandriampahalemana ny tsy filaminana sosialy: fanambakana, fisolokiana… Tonga hatramin’ny fanendahana, fangalarana, famonoana olona… Mety mbola hivadika hafa no ho izany? Korontana sosialy, araka ny fanahian’ny sasany. Hanao ahoana? Odian-tsy hita na tsy mampiraika… Difotry ny politika? Na politika no heverina hamahana azy…
Olana politika ny sosialim-bahoaka fa miankina amin’izay ataon’ny mpitondra ho zava-dehibe sy laharam-pahamehana, ohatra. Mby aiza? Tsy misy koa izay fandriampahalemana, raha tsy misy fandrosoana. Misy ve, ohatra, ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka amin’izay hoe fandriampahalemana sy filaminana izay? Eo amin’ny fihariana sy famokarana, fahasalamana, fampianarana… Eo ny tsirairay mitsara.
Mifaningotra ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana, mifameno fa tsy mifamono. Tsy hita soritra izay fampandrosoana ny fiainam-bahoaka na ny foto-drafitr’olona, matoa manjaka ny tsy fandriampahalemana… maro lafy? Vao mainka tsy misy izay fampandrosoana raha mbola mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana.

R. Nd.

Partager sur: