Nosokafana ofisialy, omaly, nanoloana ny Araben’ny fahaleovantena Toamasina, ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy nahasakana ireo mpandray anjara hatramin’ny olona manan-kaja nasaina, ny orana nikija fa nizotra tsara izany lanonam-panokafana izany. Natomboka tamin’ny 1 ora ny fotoana, tamin’ny alalan’ny rodobe. Nitohy tamin’ny filaharambe sy fandraisam-pitenenana ary zumba. Nisy ihany koa ny fanomezana moto ho an’ny ben’ny Tanàna miisa 91 sy delegem-panjakana 55 avy amin’ny fitondram-panjakana. Nambaran’ny Praiminisitra, Christian Ntsay, fa andraikitry ny mpiasam-panjakana ny manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa ampanaovina azy ho an’ny firenena. Tsy vita anefa izany, hoy izy, raha tsy ao ny fahasalamana. “Mankasitraka izao hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny Asief izao ny tenako, izay mampitombo ny fahasalamana sy ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana”, hoy ny nambarany. Nanamafy ihany koa ny Praiminisitra fa tokony hosorohina hatrany ny disadisa ao anatin’ny fifaninanana toy izao fa ny firahalahiana no tokony hampanjakaina. Nanamafy hatrany ihany koa ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aime (Jhon Love), fa fanafody tsy vidiam-bola ny fanatanjahantena.
Hifaninana anio sy rahampitso ny governemanta
Araka ny fandaharan-dalao, hiakatra an-kianja anio, eo amin’ny taranja baolina kitra, ny governemanta. Ny ekipan’ny faritra Antsinanana sy ny ekipan’ny Asief no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Ny taranja basikety sy volley kosa no hifaninan’ny Governemanta ho amin’ny rahampitso.
Mi.Raz